<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Havergal</author>
<hymn_number>112</hymn_number>
<title>Tsy ny hahazo zavatra FFPM112</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy dia ny hahazo soa
 Arý an-danitra
 No itiavako Anao,
 Ry Andriamanitra.

[V2]
 Tsy noho ny atahorako
 Ny fijaliana,
 Fa noho ny fitiavanao,
 No itiavako.

[V3]
 Voahombo, voalefona,
 Voalatsa Hianao ;
 Nahinjitra ny tànanao
 Tambony hazo teo.

[V4]
 Izaho no niaretanao
 Ny fijaliana ;
 Ny ranao nanavotana ahy
 Izay fahavalonao.

[V5]
 Ka moa tsy fitiavana
 Havaliko Anao ?
 Ny foko no atolotro
 Anao, ry Tompo ô !

[V6]
 Ry Jeso Kristy masina ô !
 Deraiko Hianao,
 Fa Hianao Mpanjakako
 Sy Andriamanitro !</lyrics>
</song>